Solo Christo - Sola Gratia - Sola Fide - Sola Scriptura - Soli Deo Gloria
REFORMASIONA 

MARTIN LUTHER

 

Nandalo vanim-potoana fiovana be ny tany Eoropa teo anelanelan’ ny taona 1300 sy 1500 :

Tao ny firoboroboan’ ny “ Renaissance”, ny revolisiona ara-toe-karena sy ny kapitalisma, ny fiandohan’ ny fanaovam-printy, ny fahaterahan’ ny laboratoire moderne”ary ny fahitan’ i Christophe Colombe an’ i Amerika (1492).

Ny fiainana tantsaha dia niova amin’ ny “urbanisation internationale. Vanim-potoan’ ny firoboroboan’ ny ngezalahy ara-tsaina koa izany toa an-dry Erasme, Renehlin, Lotera, Melancton,...

Ny fandrosoan’ ny fifandraisana tamin’ ny Moyen Orient sy Orient no nanokatra varavarana hidiran’ ireo entam-barotra betsaka tany andrefana..

Ny Fiangonana katolika dia nandroso koa amin’ ny fandaminana goavana ara-bola ka nifandray tendro tamin’ ireo banky vaventy.

Papa Léo X, zanaky ny tompon’ ny banky Florentine aza dia kolikoly no nahatonga azy ho Papa.

Jean Tezel moa nahay trafika tamin’ ny fivarotana famelan-keloka ka nahatonga an’ i Lotera hametaka ny “thèses 95”.

Ireo eveka vaovao voatendry koa dia tsy maintsy nandoa ny atao hoe “annates” izay tsy inona fa ny vola miditra ao anatin’ ny taona voalohany iasana noho ny nanendrena azy,...

Be dia be noho izany ny vola alefa avy ao Alemaina mankany Roma.

Tao koa ny “scholasticisme” izay tena nanjaka tokoa. Thomas d’Aquin sy Okma no isan’ ny skolastika malaza tamin’ izany fotoana izany.

Tsara ny manamarika fa ny teny hoe “Reformasiona” dia nampiasaina voalohany tany Italy tamin’ ny taona 1200.

Ny monka atao hoe Joachim  n’ i Flora, no naka ny teny avy amin’ ny Vulgate Latina mba hanambarana vanim-potoana vaovao amin’ ny fihemorana, noho ny fihemorana nisy tao amin’ ny Fiangonana katolika.

Tsy Alemaina ihany no firenena nisy reformasiona, tsapa koa tamin’ ireo firenena hafa izany toy i Angleterre, Suisse, France, Scandinaves, Italie...

Azo lazaina fa manavao ny Fiangonany hatrany Andriamanitra tamin’ny alalan’ ny fampiasana olona samihafa.

Ilay fihetsiketsehana tamin’ ny taonjato faha 16 dia fanoherana mahery vaika ny fitondrana nisy ka niafara tamin’ ny fanovana goavana. Lafim-piainana samihafa no voakasika dia ny ara-toe-karena, ara-politika, ara-panabeazana, ara-kolontsaina...

Ho jerentsika etoana ary ny fiandohan’ ny loteranisma, ny fielezany ary ny vokany.

 

 

 

1 - NY FIANDOHANY

 

Iza moa Lotera:

 

Zanak’ i Hans Luther sy Margarethe Ziegler i Martin Lotera izay teraka tao Eisleben, Alemaina tamin’ ny 10 Novambra 1483 ary maty ny taona 1546.

Araka ny fitantaran’ i Volrath Vogt dia olona malahelo ireo ray aman-dreniny ka nandatsaka azy nianatra tamin’ny sekoly ambanimbany. Vehivavy mpitondrantena , mpanan-karena iray no nanampy sy nampandroso azy tamin’ ny sekoly malazalaza kokoa; taty aoriana ; mety hoe i Fan Cotta io vehivavy io, izay nipetrahan’ i Lotera nandritry ny 3 taona tao Eisnach, araka ny fitantaran’ i Thomas Lindsay.

Teo amin’ ny faha 18 taonany no nidirany tao amin’ ny Oniversite malaza indrindra tany Alemaina, izay naorina tamin’ny 1392 ary manana fifandraisana tamin’ ny fiangonana.

Nahazo ny Baccalauréat i Lotera ny taona 1502 ary maîtrise ny taona 1505.

Niditra tao amin’ ny monasteran’ i Erfurt izy,  tao amin’ ny Eremite Aogostaniana mba hamonjy ny fanahiny.

Vita ordinasiona ny taona 1507 ary taorian’ ny fianarana teolojika dia nirahin’ ny fikambanana hampianatra teolojia moraly tao amin’ ny Oniversiten’ i Wittenberg (1510-1511).

Namangy an’ i Roma, nisolontena ny mpandraharahan’ ny monastera nikambanany.

Nahazo ny doctorat en théologie tamin’ny 1512, ary profesora tao amin’ ny Oniversiten’ ny Wittenberg.

Nikatsaka fatratra izay hahazoana famelan-keloka avy amin’ Andriamanitra izy ary niasa fatratra hahazo famonjena.

Tsy nahita fiadanana anefa izy fa Andriamanitra Mpitsara, manasazy, tsy azo ivalozana ihany no hitany.

Notarihin’ ny Fanahy Masina izy tamin’ ny famakiana ny Romana:1:16-17. Fahazavana lehibe no azony tamin’ izany ary dia io teksta io aminy no vavahadin’ny lanitra.

Nametraka ny “théses de 95” ho fanoherana ny fivarotam-pamelan-keloka ny 31 Oktobra 1517 teo amin’ny varavaran’ ny Fiangonan’ ny andriandahy tao Wittenberg.

Nanomboka fantatry ny maro ny heviny hatreto.

Resy lahatra Lotera fa mifandray amin’ ny olona amin’ ny alalan’ ny Teniny Andriamanitra ary Jesosy Kristy no ivon’ ny Soratra Masina.

 

Andriamanitra no miasa mamonjy ny olona tamin’ny teny tonga nofo dia ny asan’ Andriamanitra ao anatin’ ny olona tamin’ ny teny tonga nofo dia ny Zanany malalany.

Na ny finoana aza dia asan’ Andriamanitra ao anatin’ ny olona amin’ ny alalan’ ny Fanahy Masina. Na ny famonjena na ny finoana dia tsy mba asa vitan’ ny olona fa asan’ Andriamanitra.

Rehefa nahazo ny fahazavan-tsaina i Lotera dia ireto telo ireto no petrakevitra izay hazoniny:

 

Ny Soratra Masina irery ihany,

ny Finoana irery ihany,

ary ny fahasoavana irery ihany.

 

Tamin’ ny 1533 no nahavitany dika ny Baiboly manontolo amin’ ny teny Allemand mba hahazoan’ ny sarambaben’ ny olona mamaky ny Tenin’ Andriamanitra.

Nanaiky ny Konfesiona Aogostana nosoratan'i Melanchthon izy,  nampifanohitra azy tamin’ ny emperora izany, nefa nino izy fa tsy maintsy arovana ny Fiangonana.

Nanoratra betsaka izy ary mahakasika zavatra maro izany.

Nanampy azy tamin’ ny lafin-javatra maro  (oh. ara-toe-karena) ny vadiny Katharina Von Bora izay antsoin’ ny sasany hoe “ Ilay renin’ ny reformasiona”.

 

Tamin’ ny 1537 no namoahany ny Artikla Smakladiana loterana.

Hoy indrindra izy : “ Mangataka aho mba tsy hanao “reférence” ny anarako ny olona; aoka hiantso ny tenany ho kristiana izy fa tsy loterana.

Fa inona moa Lotera ? Tsy ahy ny fampianarana rehefa zohina, ary tsy izaho no voahombo tamin’ ny hazofijaliana hisolo n’ iza  n’iza ?

Ny Apostoly Paoly tsy hamela velively ny kristiana hanao ny tenany hoe : Pauline na Petrine fa kristiana, ka ahoana no hahazoako hamela ny anarako amin’ ny zanak’ i Kristy, dia izaho izay mpanota mahantra fadiranovana.

Tsia, ry havana, aoka hitsahatra ireo rehetra tia anarana ka hiantso tena ho kristiana, izay anarana avy amin’ ilay Tompon’ ny fampianarana tazonintsika”.

 

Mazava amin’ izany fa tsy mba avy amin’ i Lotera ny anarana hoe Loterana izay nanomboka tamin’ny 1519 fa anarana nomen’ ireo mpanohitra azy aza.

 

Tonga anarana anavahana ny mpanaraka ny fampianaran’ i Lotera tamin’ ny Katolika Romana io sy ny “Réformé.

 

Tsy nihevitra ny hiala tao amin’ ny Fiangonana katolika romana akory Lotera fa fanavaozana no notadiaviny, kanjo niafara tamin’ ny fanonganana azy izany.

 

Ny fanamarinana amin’ ny finoana ivelan’ ny asa fanalalahana ny lalàna no ivon’ ny fampianarana narosony ka nahaterahan’ ny Loteranisma tamin’ ny taonjato faha 16.

 

Tao dia tao tokoa ny fanenjehan’ ny emperora, kanefa nahazo fahafahana tanteraka ny Protestanta tamin’ny 1552 ( Traitée de Passau). Nohamafisina izany tamin’ ny taona 1555.

 

Ireto avy ireo Symbole dogmatika loterana :

- Ireo fanekem-pinoana ekiomenika telo

- Fotopianarana lehibe (1529)

- Fotopianarana kely (1529)

- Konfesiona Aogostana (1530)

- Apolojian’ ny Konfesiona Aogostana (1531)

- Ny Artikla Schmalcald (1537)

- Formule de Concorde (1577).

 

Ao anatin’ ny bokin’ ny Concorde avokoa ireo Symbole  sivy ireo.  

 

2 - NY FIELEZAN’ NY LOTERANISMA (misiona)

 

Antony maro samihafa no tsy nielezan’ ny Loteranisma avy hatrany tany ivelan’ i Alemaina sy Eoropa.

Tao ohatra ny fahasahiranana niaro tena tamin’ ny Katolika Romana. Variana tamin’ ny fihazonana ny fampianarana marina ka tafalatsaka tamin’ ny “orthodoxie” mafy.

Saiky firenena katolika koa no nanana tany nozanahina tany amin’ ny tanin’ ny jentilisa ka sarotra ny fidiran’ ny Protestanta tamin’ ireny toerana ireny.

 

Nandroso indrindra tany avaratr’ i Alemaina sy avaratra atsinanany ny fampianaran’ i Lotera aloha, vao niely tamin’ny toerana maro samihafa eran’ izao tontolo izao taty aoriana.

Nanohitra ny “orthodoxie” i Philip Jacob Spener (1635-1705) izay tonga mpitarika ny pietisma loterana.

Niforona ireo “sociétés des missions” samihafa ary naniraka misionery ireny.

Tsara marihina etoana koa anefa fa tsy tamin’ ny alalan’ ny fiforonan’ ireo “sociétes des missions” fa tao dia tao  ireo mpifindra  monina loterana sy ireo “voanjo”. Samy nahazoan’ ny Loterana nampiely ny Filazantsara daholo ireny.

Santionany amin’ ny fielezan’ ny Loteranisma tamin’ ireo Kaontinanta samihafa.

 

A - TANY EROPA

 

               Allemagne :

 

vetivety foana dia niparitaka tao Alemaina ny fihetsiketsehana notarihin’ i Lotera. Nahazo mpanohana nanampy azy izy, tao i Philip Melachthon, ny printsy sasany, ary ny vahoaka.

 

               France  :

 

Nanohana ny Reformasiona ny tany Alemaina (Lotera) sy Soisa (Calvin) fa tsy tahaka izany ny tany Frantsa na dia fatratra aza ny fandroson’ izany tany.

 

Protestanta na Huguenots  iray hetsy no maty novonoin’  ny mpanjaka Charles IX am-pitaka nanomboka ny alin’ ny 24 Aogositra 1572 ka hatramin’ ny 28 Aogositra 1572, tany Paris.

Taty aoriana anefa dia mbola be koa ny Protestanta novonoina tamin’ ny andron’ i Louis XIV (1643-1715) rehefa nofoanany tamin’ ny 1685 ny Edit de Nantes ( lalàna miaro ny Protestanta) tamin’ ny taona 1598.

Be ny ratsy vitan’ ity mpanjaka ity, ka nasain’ ny mompera nandringana ny protestanta izy hahazoany famelan-keloka.

Efa tamin’ny 1787 vao nahazo fahafahana hanompo an’ Andriamanitra indray araka izay heveriny ho marina ny olona.

 

             Eoropa afovoany :  

 

Ny mpianatr’ i Lotera sy Melanchthon no nitondra ny hafatry ny Reformasiona tany Hongrie tamin’ ny 1524 ary tamin’ ny 1545 ny Synoda Loterana voalohany tany.

 

              Suède :

 

Nisy mpirahalahy atao hoe Olav sy Lars Petri mpanaraka an’ i Lotera no nitondra ny Reformasiona tany Soeda.

Nampian’ i Lorenz Andersen izy ireo nitondra ny teolojia ara-pilazantsara manafaka nampianarin’ i Lotera. Nankasitraka ny Protestantisma ny mpanjaka Gustavus Vasa izay nanafaka an’i Soeda teo ambanin’ ny Danvis tamin’ ny 1523.

Tonga loterana ny firenena  manontolo ka ireo eveka taloha tao ihany no lasa mpitarika ny Fiangonana. Tamin’ ny 1593 no nanekeny ny Konfesiona Aogostana ho fototry ny finoany.

 

               Danemark  :

 

Lasa Protestanta tanteraka koa ny tany Danemark. Nisy mpianatra nianatra tamin’ i Lotera, ohatra Hans Tanson sy Jorgensadolin. Nanomboka nitory tsy tapaka ny Filazantsara tany izy ireo.

Tamin’ny 1524 no voadika amin’ ny teny Danois ny Testamenta Vaovao.

Nandalo fanenjehana ny loterana tany teo ambany fitondran’ ny mpanjaka Christian III, kanefa tamin’ ny fanesorana azy tamin’ ny fanjakana ny taona 1537, dia i Bugenhagen, hany teolojiana loterana naman’ i Lotera tao Wittenberg no nanohy ny Reformasiona indray. Notohizana ny fandikana ny Baiboly ary nadika koa ny Konfesiona Aogostana.

 

               Norvege :

 

Niely avy ao Danmark ho any Norvège ny reformasiona tamin’ ny 1536 na dia tao aza ny olana ara-pifandraisana noho ny fiteny samy hafa.

 

               Angleterre :

 

Nampidirina an-tsokosoko tany ny Baiboly amin’ ny teny anglisy sy ny asa soratr’ i Lotera tamain’ ny fiandohan’ ny taonjato faha-16. Ny loteranisma no “réforme” tonga tany voalohany izay notohanan’  ny fihetsiketsehana  Lollard, fa taty aorian’ ny taona 1534 dia nanambara tena ho lohan’ ny Fiangonana Angletera.

 

               Ecosse :

 

Namoha an’ i Ecosse ny loteranisma nentin’ i Patrick Hamilton, mpianatr’ i Lotera. Nodorana noho ny finoany anefa izy tamin’ny 1528.

 

B -  TANY AMERIKA

 

Nifanindran-dalana tamin’ ny tantara politika ny tantaran’ ny loteranisma tany Amerika satria niaraka ny mpifindra monina haka ny tany sy ny fivavahan’ ireto mpifindra monina “colons” ireto.

Araka ny tantara, ny Loterana voalohany tonga tao Amerika dia tao New Netherland tamin’ ny 1632, Skandinavy sy alema ny ankamaroan’ ireo mpifindra monina ireo.

Tamin’ ny 1669 no nisy Fiangonana voalohany naorina tany Albanie.

Ny 24 Novambra 1703 no nisy ordinasiona voalohany tao Amerika, tao Philadelphia izany.

Ny mpifindra  monina voalohany avy any Soeda, niaraka tamin’ ny sambo Kalmar Nyckel dia tonga tao Wilmington tamin’ ny Marsa 1638 ary dia niparitaka hatrany atsimo sy avaratr’ i Delaware.

Ny loterana alema nifindra monina tany Philadelphia dia tonga tao tamin’ ny 1682.

Tamin’ ny 1694, i Heinrich Bernhard no nanangona loterana vitsivitsy ary nanao ny fanompoam-pivavahana voalohany tamin’ ny fiteny alema ny taona 1694.

Ny misionery sy ny fiforonan’ ireo “societés des missions” no nahatonga ny Filazantsara niely tamin’ ny firenen-kafa koa.

 

C - TANY ASIA

 

Ankoatry Inde dia tsy mba misy loterana firy eran’ i Asia; noho ity Kaotinanta ity be mozolmana dia tsy mora ny fitoriana ny Filazantsara any.

Na izany aza anefa dia tonga tany ihany ny loteranisma tamin’ ny taonjato faha 19.

Ny taona 1706 no nahatongavan’ ireo misionery loterana voalohany tany Inde,  200 taona taty aorian’ ny reformasiona.

Hatramin’ ny taona 1926 dia niray ao anaty vondrona sivy ny karazam-piangonana nampitondraina ny anarana hoe : “ Fédération des Eglises évangeliques Luthériennes de l’Inde”.

Santionany ihany i  Inde fa niely patrana ihany ny loteranisma tany Indonesia, Philippines, Chine, Japon.

 

              

 

D - TANY AUSTRALIE SY OCEANIE

 

Ireo mpifindra monina avy any Alemaina no nitondra ny loteranisma tany Australie ny taona 1837, toy izany koa ny tany Nouvelle Zelande ny taona 1843.

 

E - TANY AFRIKA :

 

Ireo “voanjo” alema no tarika loterana voalohany tonga tany Capetown Afrika atsimo, niaraka tamin’ i Van Ricbeck izay nanorina ny fanjanahantany tamin’ny 1652.

Ny taona 1665 no natao ny fotoam-pivavahana loterana voalohany ary ny taona 1679 no niorina ny Fiangonana Loterana voalohany.

Tsy latsak’ izany  ny tany Rhodesie na Zimbabwe :  ny taona 1903 no nanomboka niasa tany ny misiona suedois,  Tanzanie, Kenya,  tamin’ ny ady lehibe faharoa vao nisy ny loterana anglisy niditra tany Ethiopie ny taona 1948 no niditra tany ny fikambanan’ ny misiona norveziana ; izy ireo ihany koa no tonga tany Cameroun ny taona 1925.

Ny misiona danois no nanomboka niasa tany Nigeria ny taona 1909......

Madagasikara : nanombohana ny asa  ny taona 1867 tamin’ ny alalan’ ireo misionera norveziana.