Solo Christo - Sola Gratia - Sola Fide - Sola Scriptura - Soli Deo Gloria
SAKAFOMPANAHY

Fa tsy menatra ny filazan-tsara aho, fa herin’Andriamanitra ho famonjena ziay rehetra mino izany, amin’ny jiosy aloha dia vao an’ny jentilisa koa. (Rom 1 : 16)

 

 

Manome antsika maimaimpoana ny fiainana mandrakizay ao amin’i Jesosy Kristy Andriamanitra. Ny fahatakarana ny fomba tena izy, ahazoantsika izany fiainana izany anefa dia sarotra ho antsika indraindray. Noho izany Andriamanitra dia maneho sary samihafa ao amin’ny Baiboly mba hanampiana antsika ahazo io hevitra io. Ny tsirairay avy amin’ireo dia samy manana izay antitranteriny manokana. Ity lohahevitra ianarana ity dia mandinika ny telo amin’ireny sarinteny ireny dia : ny famonjena ; sy ny Fanavotana ary ny Fanamarinana.  

 

NY FAMONJENA : ny teny hoe famonjena (Gr soteria) dia midika hoe fanafahana, fanalana amin’ny ratsy, Ao amin’ny Testamenta Taloha, Andriamanitra dia efa nanambara sahady ny Tenany ho ilay Iray izay mamonjy ny olony (Sal 27 :1 ; 88 :1) Jereo Deo 26 :8 ; Sal 62 : 1 ;

Voambara ao amin’ny Testamenta Vaovao izy io hoe : ny lalana izay mamakivaky ny fiainana ka miafara amin’ny fiainana mandrakizay miaraka amin’Andriamanitra any an-danitra (Mat 7 :14, Mar 12 :14 ; Jaona 14 :16 ; Asa 16 :17)Tsy maintsy handehanana hatramin’ny farany io lalam-pamonjena io. Azo lazaina ho lalan-tokana misy andaniny roa sy dingana telo nyf amonjena.

 

1) Ny hany lalampamojena : Kristy no lalana mankany amin’ny Ray (Jaona 14:6; Asa 4:12). Ny famonjena dia nomena antsika tamin’ny alalan’ny fahasoavan’Andriamanitra izay omena antsika maimaipoana ao amin’I Kristy Jesosy (Rom 3 : 24) , miorina amin’ny fahafatesany (3:25, 5 :8) sy ny fitsanganany tamin’ny maty (5:10) ary ny vavaka fifonana tsy tapaka ho ann’y mpino. (Heb 7 :25)

2) Ny andininy roa amin’ny famonjena , ny famonjena dia nomena avy amin’ny fahasoavan’Andriamanitra ary raisina amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesosy Kristy (Rom 3:22; 24-25,28). Izany dia tafapaka amintsika avy amin’Andriamanitra ho vokatry ny fahasoavany (Jaona1:16) ary raisintsika amin’ny alalan’ny finoana (Asa 16:31, Rom 1:17)

3) Misy dingana telo ny finoana  

a - Fahatsapana manokana ; amin’ny mahapino antsika dia, andraisana maimaim-poana ny famelana ny fahotantsika (Asa 10:43; Rom 4:6-8) sy ny fialana amin’ny fahafatesana ara-panahy ho amin’ny fahavelomana ara-panahy ( 1 Jaona 3:14) miala amin’ny herin’ny fahafatesana ho amin’ny herin’Andriamanitra (Rom 6 : 17-23) , miala avy amin’ny fanapahan’i satana ho amin’ny fanapahan’Andriamanitra (Asa 26:18). Mitondra antsika ho amin’ny fifandraisana vaovao manokana amin’Andriamanitra izany (Jaona 1:12) ary mamonjy antsika amin’ny fanamelohana noho ny ota (Rom 1:16; I Kor 1:18)

b – Ny dingan’ny famonjena ankehitriny dia mamonjy antsika amin’ny fanandevozan’ny ota sy ny heriny ary ny fanapahany, ka mitondra antsika ho amin’ny firaisana amin’ny Fanahy Masina. Ao anatin’izany  

- ny tombontsoa amin’ny fifandraisana manokana amin’Andriamanitra amin’ny maha-Raintsika Azy, sy amin’i Jesosy amin’ny maha tompontsika sy Mpamonjy Azy  

(Mat 6 : 9, Jaona 14:18-23)

- ny fiantsoana hihevitra ny tenantsika ho faty amin’ny ota (Rom 6 :1-14) ka hanaiky ny fitarihan’ny Fanahy (Rom 8 :1-17) sy ny tenin’Andriamanitra (Jaona 8:31),  

- ny fampaherezana ho fenoina ny Fanahy Masina sy ny didy hitehirizana izany fahafenoana izany (Asa 2:33-39)  

- ny fitakiana amintsika ny hiala amin’ny fahotana (Rom 6:1-14) sy hisaraka amin’ny taranaka feno fahalovana ankehitriny (Asa 2:40; 2Kor 6 :17) ary  

- fiantsoana hanohitra an’i satana sy ny tafiky ny devoly ka hampandroso ny fanjakan’Andriamanitra.  

d – Ao anatin’ny dingana ho avin’ny famonjena (Rom 3 :11-12; 1 tes 5:8-9)

- ny fahafahantsika amin’ny fahatezeran’Andriamanitra ho avy (Rom5 :9, I kor 3:15; 5:5)  

- ny fandraisantsika anjara amin’ny voninahitr’i Kristy (Rom 8:29) sy ny fandraisana tena nitsangana tamin’ny maty sy novena (I kor 15:52), ary ihany koa

- ny fandraisantsika valim-pitia noho isika mpandresy mahatoky ( Apok 2 :7) ho famonjena amin’ny ho avy , io no tanjona izay iezahann’y kristiana rehetra hotratrarina (1 Kor 9 : 24 - 27). Ny tanjon’ny fampitandremana rehetra amin’izao fotoana izao sy ny fifehezana ary ny famaizana dia hahatonga ny mpino tsy hiala amin’io famnjena amin’ny ho avy io (1 Kor5:1-13)

 

NY FANAVOTANA : ny fototra niavian’ny hoe “fanavotana” dia midika ho vola aloa ho vidim-panavotana. Io fomba filazana io dia manambara ny fomba ahazoana ny famonjena izany hoe amin’ny fandoavana vidim-panavotana. Toy izao no azo amintinanana ny fot-pampianarana momba ny fanavotana.

 

 

1) Ny toetrann’y fahotana izay anavotana antsika : Ny Testameta Vaovao dia mampiseho fa tafasaraka tamin’Andriamanitra ny olombelona (Rom 3:10-18) eo ambany fanapahann’ny herin’i satana (Asa 10:38) andevon’ny fahotana (Rom 6:6) ary mila fanafahana amin’ny fanamelohan’ny ota sy ny famaizany ary ny heriny (Asa 26:18, Rom 1:18)  

2) Ny tombam-bidy naloa mba hanafahana antsika tamin’io fanandevozana io : Niantoka ny vidim-panavotana Jesosy Kristy tamin’ny nandatsahany ny rany sy ny nanolorany ny ainy (Mat 20:28; Mar 10:45)

3) Ny toetran’ny olona voaavotra : afaka amin’ny lalàna (amin’ny heviny hoe : didy sy fitsipika) ankehitriny ny mpino ary afaka amin’ny fanandevozan’ny fahotana sy ny fanapahan’i satana (Asa 26:18)  

a) io fanafahana ao amin’i Kristy io dia mitondra fahamarinana sy fankatoavana feno fitiavana an’i Jesosy Kristy,  

b) Mifanohitra amin’izay tsy nantenaina ny fahafahana dia avy amin’ny fankatoavana feno fitiavana, tahaka ny voninahitra avy amin’ny fahoriana (Gal 5:13-14)

4) Ny fampianaran’ny Testameta Vaovao momba ny fanavotana izay tandidon’ny fanavotana ao amin’ny Testameta Taloha : Ny tranga-panavotana lehibe ao amin’ny Testameta Taloha dia ny fialann’y vahoakan’Andriamanitra tao Egypta (Eks 6:7) ary koa amin’ny fomba fanaovana fanatitra dia ny ran’ny biby no vidiny naloa ho fanavotana amin’ny fahotana (Lev 9:8)  

 

NY FANAMARINANA : ny hoe fanamarinana dia azo adika hoe nafahana , nambara fa tsy meloka (araka ny hevitra ara-pitsarana) ary voambara fa marina eo imason’Andriamanitra (araka ny hevitra teolojika). Noho izany dia mifandray mivantana amin’ny famelan’Andriamanitra heloka ny mpanota mibebaka, ka tonga hoatra ny lehilahy ny vehivavy tsy mbola nanota mihitsy.  

 

1) Ny fanamarinana dia ny fahatsapana ny fiovam-po araka ny lafin’nny fitsarana ka ijerena ny mpino araka ny fomba fijerin’Andriamanitra. Andriamanitra Ray , noho ny fanavotan’i Jesosy Kristy, dia nampita na nanome io dia tsy antsika fa an’i Kristy (Fil 3:9). Andriamanitra Ray dia mahita ny mpino ho voarakotry ny fahamarina’i Kristy tanteraka. Izany no antonym mahatonga an’Andriamanitra hanaiky ny olona mety maty ho tafidtra ao amin’ny lanitra, satria tsy misy olona tsara na iray aza mendrika ny lanitra. Ny teny hoe fahamarinana dia tena mora takarina rehefa ampitaina amin’ny zava-miseho ao amin’ny efitra fitsarana.

Jesosy Kristy no mpisolovava antsika izay afaka mitondra antsika eo anatrehan’ny Ray noho ny fahamarinana. Toy izao manaraka izao no zavatra vitsivitsy ilaina ho fantatra momba ny fahamarinana.

2) Ny fanamarinana dia vao lafiny iray monja ao amin’ny fiovam-po. Zavatra maro hafa no miseho amin’ny fotoanan’ny fiovam-po. Ny fahaterahana indray no fiandohan’ny fiainam-baovao ao amin’i Kristy, raha adika ara-bakiteny dia hoe “nateraka indray” (Jaona 3:3). Tonga i Kristy mba ho velona ao anatin’ny mpino (Gal 2:16-21). Mitoetra ao amin’ny mpino ny Fanahy Masina, (Rom8:9) ary manome hery ny mpino mba hiaina amim-pandresena (Rom 8:5-13). Nomena antsika ny vavolombelon’ny Fanahy fa tonga ankohonan’Andriamanitra isika (Rom 8:16) Maro ny fitahiana tonga ao amin’ny mpino amin’ny fotoana niovany fo. Ny fanamarinana dia ny lafin’ny fiovam-po izay endriky ny toerana misy antsika eo anatrehan’Andriamanitra Masina. Ny fanamarinana, ny any fanamasinana , izay manomboka amin’ny fahaterahana indray  

3) Ny fanamarinana dia fanomezan’Andriamanitra (Rom 3:24). Tsy misy olona afaka hilaza ho marina eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fihazonana ny lalàna na ny fanaovana asa soa (Rom 4:2-5) “fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra (Rom3:23)

4) Miorina amin’ny asan’i Kristy ny fanamarinana “amin’ny alalan’ny fanavotana azo avy amin’IiKristy” izany (Rom 3:24). Tsy misy olona azo hamarinina afa-tsy amin’ny fanavotan’I Kristy

5) Ny fanamarin’Andriamanitra dia avy amin’ny fahasoavany ary raisina amin’ny alalan’ny finoana an’I Jesosy Kristy amin’ny maha Tompo sy Mpamonjy Azy (Rom3:22)  

6) Mifandray amin’ny famelana ny fahotantsika (Rom 4:7) ny hoe nohamarinin’Andriamanitra. Voambara fa meloka araka ny lalàna ny mpanota (Rom3:9-18), ka meloka ho faty mandrakizay (Rom 3:9-18;23) nefa noho ny finoana an’i Kristy dia voavela heloka isika noho ny fahafatesan’I Kristy mitondra fanavotana sy ny fitsangany tamin’ny maty (Rom 3:25) ary nomena fiainana mandrakizay. (Rom 6:23 )