Solo Christo - Sola Gratia - Sola Fide - Sola Scriptura - Soli Deo Gloria
VAKITENY ISAN'ANDRO
Alatsinainy 21 novambra 2016

Salamo 69

 

Fitarainan’ izay nenjehina sy nampahorina noho ny amin’ Andriamanitra

 

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Al-shoshanim. Nataon’ i Davida. Vonjeo aho, Andriamanitra ô; fa efa mihatra amin’ ny aiko ny rano.

2 Milentika amin’ ny fotaka mandrevo aho, ka tsy misy hifaharana; efa miditra amin’ ny rano lalina aho, ka mandifotra ahy ny riaka.

3 Sasatry ny mitaraina aho, maimay ny tendako; pahina ny masoko, raha miandry an’ Andriamanitro aho.

4 Maro noho ny volon-dohako ny isan’ izay mankahala ahy tsy ahoan-tsy ahoana; mahery izay ta-hahafaty ahy, dia ny fahavaloko tsy ahoan-tsy ahoana; mampanonitra ahy izay tsy nalaiko izy.

5 Andriamanitra ô, Hianao mahalala ny hadalako; ary ny heloko tsy mba miafina aminao.

6 Aoka tsy ho menatra noho ny amiko izay miandry Anao, Jehovah, Tompon’ ny maro ô; aoka tsy ho very hevitra noho ny amiko izay mitady Anao, ry Andriamanitry ny Isiraely ô.

7 Fa noho ny aminao no itondrako latsa; safotry ny henatra ny tavako.

8 Efa vahiny amin’ ny rahalahiko aho; eny, efa olon-ko azy amin’ ny zanak’ ineny aho.

9 Fa ny firehetako ny amin’ ny tranonao no naharitra aina ahy; ary ny latsa nataon’ izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko.

10 Nitomany sady nifady hanina aho, dia natao latsa ho ahy izany.

11 Lamba fisaonana no nataoko fitafiako, dia efa ambentin-teny tamin’ ireny aho.

12 Miresaka ahy izay mipetraka eo am-bavahady; ary ataon’ ny mpisotro toaka an-kira aho.

13 Fa izaho hivavaka aminao amin’ ny andro fankasitrahana, Jehovah ô, dia aminao, Andriamanitra ô noho ny haben’ ny famindramponao; valio aho araka ny hamarinan’ ny famonjenao.

14 Afaho amin’ ny fotaka aho, ka aza avela hilentika; vonjeo aho amin’ izay mankahala ahy sy amin’ ny rano lalina.

15 Aza avela hanafotra ahy ny rano mandriaka, na hitelina ahy ny lalina; ary aza avela hikatom-bava amiko ny lavaka fantsakana.

16 Valio aho, Jehovah ô, fa tsara ny famindramponao; todiho aho araka ny haben’ ny fiantranao.

17 Ary aza manafina ny tavanao amin’ ny mpanomponao; fa azom-pahoriana aho, koa faingàna hamaly ahy Hianao.

18 Hatony ny fanahiko, avoty izy; Eny, vonjeo aho noho ny ataon’ ny fahavaloko.

19 Hianao no mahalala ny latsa mihatra amiko ary ny fahamenarako sy ny fahafaham-boninahitro; Eo anatrehanao ny mpandrafy ahy rehetra.

20 Ny latsa dia nanorotoro ny foko ka reraka indrindra aho; ary niandry antra aho, fa tsy nisy, sy mpanony fa tsy nahita.

21 Fa zava-mangidy no nomeny ho haniko; ary vinaingitra no natolony ahy hosotroina, raha nangetaheta aho.

22 Aoka ho fandrika ho azy ny latabany eo anoloany; eny, ho tonta ho an’ ny tsy manana ahiahy.

23 Aoka ho jamba ny masony mba tsy hahita; ary ampangozohozoy mandrakariva ny valahany.

24 Aidino aminy ny fahatezeranao; ary aoka hahatratra azy ny firehetan’ ny fahaviniranao.

25 Aoka ho foana ny tobiny; aza avela hisy hitoetra ao an-dainy.

26 Fa izay nasianao no nenjehiny; Ary ny fahararian’ ny voatsindronao dia lazalazainy.

27 Aoka hiampy ny helony; ary aoka tsy hiditra amin’ ny fahamarinanao izy.

28 Aoka hovonoina tsy ho eo amin’ ny bokin’ ny velona ny anarany, ary aoka tsy hosoratana eo amin’ ny marina.

29 Fa izaho dia ory sy mahantra, Andriamanitra ô; aoka ny famonjenao no hanandratra ahy.

30 Hankalaza ny anaran’ Andriamanitra amin’ ny fihirana aho, ary hidera Azy amin’ ny fisaorana.

31 Fa ho sitrak’ i Jehovah Izany mihoatra noho ny vantotr’ ombilahy, izay manan-tandroka sady mivaky kitro.

32 Hahita izany ny mpandefitra ka ho faly; aoka ho velona ny fonareo, ry mpitady an’ Andriamanitra.

33 Fa mihaino ny malahelo Jehovah, ary ny olony mifatotra tsy mba hamavoiny.

34 Aoka hidera Azy ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina sy izay rehetra mihetsika ao aminy.

35 Fa Andriamanitra hamonjy an’ i Ziona sady hanangana ny tanànan’ ny Joda; ary hitoetra ao ny olony ka ho tompony;

36 Dia handova azy ny taranaky ny mpanompony; ary hitoetra ao izay tia ny anarany.

Apokalypsy 19 : 1 - 10

 

Saotra ataon’ ny any an-danitra noho ny nitsarana an’ i Babylona

 

1 Rehefa afaka izany, dia nahare hoatra ny feon’ ny vahoaka betsaka tany an-danitra aho nanao hoe: Haleloia! Ny famonjena sy ny voninahitra ary ny hery dia an’ Andriamanitsika;

2 Fa marina sy mahitsy ny fitsarana ataony; Fa nitsara ilay vehivavy janga lehibe Izy - Dia ilay nandoto ny tany tamin’ ny fijangajangany - Ary namaly azy noho ny ran’ ny mpanompony izay nalatsaky ny tànany.

3 Dia niteny fanindroany ireo hoe: Haleloia! Ary ny setroky ny tanàna dia miakatra mandrakizay mandrakizay.

4 Ary ny loholona [Gr. presbytera] efatra amby roa-polo sy ny zava-manan-aina efatra dia niankohoka nivavaka tamin’ Andriamanitra, Izay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana, ka nanao hoe: Amena; Haleloia!

5 Ary nisy feo koa nivoaka avy teo amin’ ny seza fiandrianana ka nanao hoe: Miderà an’ Andriamanitsika hianareo mpanompony rehetra, dia hianareo izay matahotra Azy, na ny kely na ny lehibe.

6 Dia nahare feo tahaka ny an’ ny vahoaka betsaka aho, sy tahaka ny firohondrohon’ ny rano be, ary tahaka ny fikotroky ny kotrokorana mafy, nanao hoe: Haleloila! Fa ny Tompo Andriamanitsika, dia ny Tsitoha, no Mpanjaka.

7 Aoka isika hifaly sy ho ravoravo Ka hanome voninahitra Azy; Fa tonga ny fampakaram-badin’ ny Zanak’ ondry, Ka efa niomana ny vadiny.

8 Ary nasaina nitafy rongony fotsy madinika sady madio no mangatsakatsaka izy; fa izany rongony fotsy madinika izany dia ny asa marina ataon’ ny olona masina.

9 Ary hoy koa izy tamiko: Soraty: Sambatra izay nantsoina ho amin’ ny fanasana fampakaram-badin’ ny Zanak’ ondry. Fa hoy izy tamiko: Ireo dia teny marin’ Andriamanitra.

10 Dia niankohoka teo amin’ ny tongony aho mba hivavaka aminy. Ary hoy izy tamiko: Tandremo, aza manao izao; fa mpanompo namanao ihany aho sady naman’ ireo rahalahinao izay mitana ny filazana an’ i Jesosy; Andriamanitra ihany no ivavaho; fa ny filazana an’ i Jesosy no fanahin’ ny faminaniana.