Solo Christo - Sola Gratia - Sola Fide - Sola Scriptura - Soli Deo Gloria
VAKITENY ISAN'ANDRO
Alahady 20 novambra 2016

Salamo 122

 

Fifaliana ny amin’ i Jerosalema sy fangatahan-tsoa ho azy

 

1 Fihirana fiakarana [Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga] . Nataon’ i Davida. FALY aho, raha hoy izy ireo tamiko: Andeha isika ho any an-tranon’ i Jehovah.

2 Ny tongotray efa mijoro Eo anatin’ ny vavahadinao, ry Jerosalema ô,

3 Dia hianao ry Jerosalema, izay efa vita Tahaka ny tanàna efa voalamina tsara;

4 Any no iakaran’ ny firenena, Dia ireo firenen’ i Jehovah (Lalàna amin’ ny Isiraely izany). Mba hisaotra ny anaran’ i Jehovah.

5 Fa any no misy seza fitsarana mipetraka, Dia ny seza fiandrianan’ ny mpianakavin’ i Davida.

6 Mangataha fiadanana ho an’ i Jerosalema; Hambinina anie izay tia anao;

7 Fiadanana anie ho ao anatin’ ny mandanao; Fanambinana anie ho ao an-dapanao

8 Noho ny rahalahiko sy ny namako No hanaovako hoe Fiadanana anie ho ao anatinao.

9 Noho ny tranon’ i Jehovah Andriamanitsika Dia hitady izay hahatsara anao aho.

 

Apokalypsy 18 : 1 - 24

 

Ny amin’ ny nandravana an’ i Babylona, sy ny nisaonan’ ny olona azy

 

1 Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nidina avy tany an-danitra, nanana fahefana lehibe; ary ny tany nohazavain’ ny voninahiny.

2 Ary niantso tamin’ ny feo mahery izy ka nanao hoe: Rava! rava Babylona lehibe! ka tonga fonenan’ ny demonia sy fieren’ [Gr. trano-maizina] ny fanahy maloto rehetra ary akanin’ [Gr. trano-maizina] ny vorona rehetra izay maloto sy ankahalaina.

3 Fa tamin’ ny divain’ ny fahatezerana noho ny fijangajangany no nahalavoan’ [Na: (nisotrohan’ )] ny firenena rehetra, ary ny mpanjakan’ ny tany nijangajanga taminy, ary ny mpandranto amin’ ny tany tonga mpanankarena noho ny hafatratry ny nitiavan’ io ny zava-mahafinaritra ny tena.

4 Ary nahare feo iray koa avy tany an-danitra aho nanao hoe: Mialà aminy hianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy.

5 Fa ny fahotany efa nitehika tamin’ ny lanitra, ary Andriamanitra efa nahatsiaro ny ratsy nataony.

6 Mamalia azy araka izay nataony, ka omeo azy indroa heny toy ny nataony izy; ny kapoaka izay nofenoiny [Gr. noharoharoiny] , dia fenoy [Gr. haroharoy] indroa heny ho azy.

7 Toraka izay niderany tena sy nivelomany tamin’ ny zava-mahafinaritra ny tena, dia omeo fanaintainana sy alahelo toraka izany koa izy, satria hoy izy anakampo: Mipetraka ho mpanjakavavy aho, fa tsy mpitondratena, ary tsy mba hahita alahelo mihitsy aho;

8 koa noho izany dia ho tonga indray andro monja izao loza hanjo azy izao, dia fahafatesana sy fisaonana ary mosary, ary ho levon’ ny afo izy; fa mahery ny Tompo Andriamanitra, Izay nitsara azy.

9 Ary ny mpanjakan’ ny tany, izay nijangajanga taminy sy niara-nanaram-po taminy tamin’ ny zava-mahafinaritra ny tena, dia hiteha-tratra sy hitomany azy, raha mahita ny setroky ny fandoroana azy;

10 eny, hijanona eny lavitra eny izy noho ny fahatahorana ny fanaintainany ka hanao hoe: Indrisy! indrisy! Babylona, ilay tanàna lehibe! ry ilay tanàna mafy! fa tamin’ ny ora iray monja dia tonga ny fitsarana anao.

11 Ary ny mpandranto amin’ ny tany dia hitomany sy hisaona azy; fa tsy hisy mpividy intsony ny entany:

12 dia entana volamena sy volafotsy sy vato soa sy perila sy rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy sy landy sy jaky sy hazo mani-pofona, sy ny fanaka ivory rehetra mbamin’ ny fanaka rehetra amin’ ny hazo saro-bidy indrindra sy varahina sy vy ary vato sanga,

13 sy havozomamy sy zavatra mani-pofona [Gr. amoma] sy ditin-kazo sy menaka manitra sy ditin-kazo mani-pofona [lebona: izahao Eks. xxx. 34] , sy divay sy diloilo sy lafarina tsara toto sy vary tritika sy omby sy ondry sy soavaly sy kalesy ary tena sy ain’ olona.

14 Ary ny vokatra soa [Na: voan-kazo] nirin’ ny fanahinao dia efa niala taminao, ary ny zava-tsoa rehetra sy ny zava-malaza rehetra dia efa levona tsy ho anao, ary tsy ho hita intsony mandrakizay ireo.

15 Ny mpandranto izany zavatra izany, izay efa tonga mpanankarena taminy, dia hijanona eny lavitra eny noho ny fahatahorana ny fanaintainany ka hitomany sy hisaona

16 ary hanao hoe: Indrisy! indrisy! ilay tanàna lehibe, izay nitafy rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy sy jaky ary niravaka volamena sy vato soa ary perila!

17 Fa tamin’ ny ora iray monja no nahafoana ny harena be toy izany. Ary ny mpitondra sambo rehetra sy izay rehetra mandeha eny ambonin’ ny ranomasina sy ny matilo ary izay rehetra manao raharaha any an-dranomasina dia nijanona teny lavitra eny,

18 ary raha nahita ny setroky ny fandoroana azy, dia niantso nanao hoe: Aiza intsony re no misy tahaka izany tanàna lehibe izany?

19 Ary nanopy vovoka hiraraka tamin’ ny lohany izy, dia niantso sady nitomany sy nisaona ka nanao hoe: Indrisy! indrisy! ilay tanàna lehibe, izay nampanan-karena izay rehetra manan-tsambo eny amin’ ny ranomasina noho ny zava-tsaro-bidy tao aminy; fa tamin’ ny ora iray monja no nahafoana izany.

20 Mifalia noho izay zavatra nanjo azy hianao, ry lanitra, sy hianareo olona masina sy hianareo Apostoly, ary hianareo mpaminany; fa Andriamanitra efa nitsara azy ka namaly azy noho ny taminareo.

21 Ary nisy anjely mahery anankiray nibata vato tahaka ny vato lehibe fikosoham-bary, dia nanipy izany tany an-dranomasina ka nanao hoe: Hatsipy mafy toy izany no ho fandrava an’ i Babylona, ilay tanàna lehibe, ka tsy ho hita intsony izy.

22 Ary ny feon’ ny mpitendry lokanga sy ny mpitsoka mozika sy ny mpitsoka sodina ary ny mpitsoka trompetra dia tsy ho re eo aminao intsony; ary ny mpiasa rehetra mahay zavatra na inona na inona tsy ho hita eo aminao intsony; ary ny feon’ ny vato fikosoham-bary tsy ho re eo aminao intsony;

23 ary ny fahazavan’ ny jiro tsy mba hahazava eo aminao intsony; ary ny feon’ ny mpampakatra sy ny ampakarina tsy ho re eo aminao intsony; fa lehiben’ ny tany ny mpandrantonao; fa ny ody ratsinao no nentinao namitaka ny firenena rehetra.

24 Ary teo anatiny no nahitana ny ran’ ny mpaminany sy ny olona masina sy izay rehetra novonoina teny ambonin’ ny tany.

2 Samoela 5 : 1 - 3

 

Ny nanosorana an’ i Davida ho mpanjakan’ ny Isiraely rehetra, sy ny nahazoany an’ i Jerosalema ho renivohitry ny fanjakany

 

1 Dia tonga tao amin’ i Davida tao Hebrona ny firenen’ Isiraely rehetra ka nanao hoe: Indreto izahay, fa taolanao sy nofonao.

2 Fa hatry ny fony fahiny ihany koa, raha mbola nanjaka taminay aza Saoly, dia hianao no mpitarika ny Isiraely nivoaka sy niditra; ary Jehovah efa nilaza taminao hoe: Hianao no ho mpiandry ny Isiraely oloko, ary hianao no ho mpanapaka azy.

3 Eny, tonga tao amin’ ny mpanjaka tao Hebrona ny loholon’ ny Isiraely rehetra, ary Davida mpanjaka nanao fanekena taminy tao Hebrona teo anatrehan’ i Jehovah; ary dia nanosotra an’ i Davida ho mpanjakan’ ny Isiraely izy.

Kolosiana 1 : 12 - 20

 

12 ka misaotra ny Ray, Izay nampahamendrika antsika hanana anjara amin’ ny lovan’ ny olona masina eo amin’ ny mazava,

13 sady nahafaka antsika tamin’ ny fahefan’ ny maizina ka namindra antsika ho amin’ ny fanjakan’ ny Zanany malalany,

14 Izay ananantsika fanavotana, dia ny famelana ny helotsika.

15 Izy no endrik’ Andriamanitra tsy hita, ny Lahimatoa talohan’ izao zavatra ary rehetra izao;

16 fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ ambonin’ ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana [Gr. seza fiandrianana] , na fanjakana, na fanapahana, na fahefana, Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany;

17 ary Izy no talohan’ ny zavatra rehetra, sady ao aminy no aharetan’ ny zavatra rehetra.

18 Ary Izy no Lohan’ ny tena, dia ny fiangonana [Gr. eklesia] ; Izy no voalohany, dia ny Lahimatoa tamin’ ny maty, mba ho Lohany amin’ ny zavatra rehetra Izy.

19 Fa sitraky ny Ray ho ao aminy no hitoeran’ ny fahafenoana rehetra,

20 sady Izy no hampihavanany ny zavatra rehetra aminy, ka dia ny ràny teo amin’ ny hazo fijaliana no nanaovany fampihavanana - eny, Izy, hoy izaho, no fampihavanana izany, na ny etỳ ambonin’ ny tany, na ny any an-danitra.

Lioka 23 : 35 - 43

 

35 Ary ny olona nijanona teo ka nijery. Ary ny loholona kosa mba nandatsa ka nanao hoe: Namonjy ny sasany Izy; aoka hovonjeny ny tenany, raha Izy no Kristin’ Andriamanitra, dia Ilay nofidina.

36 Ary ny miaramila koa nihomehy Azy, dia nankeo ka nanome Azy vinaingitra,

37 sady nanao hoe: Raha Hianao no Mpanjakan’ ny Jiosy, vonjeo ny tenanao.

38 Ary nisy soratra teo amboniny nanao hoe: ITY NO MPANJAKAN’ NY JIOSY.

39 Ary ny anankiray tamin’ ireo olon-dratsy nahantona teo ireo dia niteny ratsy Azy ka nanao hoe: Tsy Hianao va no Kristy? vonjeo ny tenanao sy izahay.

40 Fa namaly kosa ilay anankiray, sady nananatra ny namany ka nanao hoe: Moa hianao koa tsy mba matahotra an’ Andriamanitra na dia izao samy voaheloka izao aza?

41 Ary marina ny anamelohany antsika, satria mandray ny valin’ ny nataontsika isika; fa ity Lehilahy ity kosa tsy mbola nanao zavatra tsy mety na dia kely akory aza.

42 Ary hoy izy: Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin’ ny fanjakanao Hianao.

43 Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa.