Solo Christo - Sola Gratia - Sola Fide - Sola Scriptura - Soli Deo Gloria
VAKITENY ISAN'ANDRO
Alatsinainy 7 novambra 2016

Salamo 57

 

Fangataham-pamindram-po sy fahatokiana an’ Andriamanitra, na dia hodidinim-pahavalo aza

 

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Al-tasheth. Miktama nataon’ i Davida tamin’ ny nandosirany an’ i Saoly tao anaty zohy. Mamindrà fo amiko. Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko; fa Hianao no ialofan’ ny fanahiko; eny, ao amin’ ny aloky ny elatrao no ialofako, mandra-pahalasan’ ny loza.

2 Hitaraina amin’ Andriamanitra Avo Indrindra aho, dia amin’ Andriamanitra Izay mahatanteraka ho ahy.

3 Haniraka avy any an-danitra Izy ka hamonjy ahy, raha miteny ratsy izay misafoaka manenjika ahy; eny, Andriamanitra haniraka ny famindrampony sy ny fahamarinany.

4 Ny fanahiko dia eo afovoan’ ny liona; handry eo amin’ ny masiaka aho, dia eo amin’ ny zanak’ olombelona,- lefona sy zana-tsipìka ny nifiny, ary sabatra maranitra ny lelany.

5 Misandrata any ambonin’ ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô! aoka ho ambonin’ ny tany rehetra ny voninahitrao.

6 Efa namela-pandrika harato haningotra ny diako izy, ary nampitanondrika ny fanahiko [Na: nitanondrika ny fanahiko] ; nihady lavaka teo anoloako izy, kanjo ny tenany ihany no latsaka ao anatiny.

7 Tafatoetra ny foko, Andriamanitra ô, eny, tafatoetra ny foko; hihira sy hankalaza aho.

8 Mifohaza, ry voninahitro; mifohaza ry valiha sy lokanga; hifoha maraina koa [Na: Hampifoha ny maraina aho] aho.

9 Hidera Anao eny amin’ ny vahoaka aho, Tompo ô, hankalaza Anao eny amin’ ny firenena aho.

10 Fa lehibe mihatra amin’ ny lanitra ny famindramponao, ary mihatra amin’ ny rahona ny fahamarinanao.

11 Misandrata any ambonin’ ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô; aoka ho ambonin’ ny tany rehetra ny voninahitrao.

Apokalypsy 10 : 1 - 11

  

Ny teny nentin’ ny anjely anankiray, ary ny amin’ ny kotrokorana fito sy ny boky kely

 

1 Ary hitako fa, indro, nisy anjely mahery anankiray koa, nidina avy tany an-danitra sady nitafy rahona; ary ny avana dia teo amin’ ny lohany, ary ny tavany dia tahaka ny masoandro, ary ny tongony tahaka ny andry afo,

2 ary nitana boky kely nivelatra teny an-tànany izy; ary nabahany ny tongony, ka ny ankavanany tamin’ ny ranomasina, ary ny ankaviany tamin’ ny tany;

3 ary niantso tamin’ ny feo mahery izy, tahaka ny fieron’ ny liona; ary nony niantso izy, dia nikotroka ny kotrokorana fito.

4 Ary rehefa nikotroka ny kotrokorana fito, dia efa hanoratra aho, kanjo nahare feo avy tany an-danitra aho nanao hoe: Asio tombo-kase izay efa notononin’ ny kotrokorana fito, fa aza soratana.

5 Ary ny anjely, ilay efa hitako, dia nitsangana teo ambonin’ ny ranomasina sy teo ambonin’ ny tany, ka nanangana ny tànany ankavanana ho amin’ ny lanitra

6 ary nianiana tamin’ izay velona mandrakizay mandrakizay, dia Ilay nahary ny lanitra sy ny ao aminy ary ny tany sy ny ao aminy ary ny ranomasina sy ny ao aminy fa tsy hisy andro [Na: tsy ho ela] intsony;

7 fa amin’ ny andro hitsofan’ ny anjely fahafito, rehefa hitsoka izy, dia ho tanteraka ny zava-miafina izay an’ Andriamanitra, araka ny teny soa mahafaly nambarany tamin’ ny mpaminany mpanompony

8 Ary ny feo izay efa reko avy tany an-danitra dia niteny tamiko indray hoe: Mandehana, raiso ilay boky mivelatra eny an-tànan’ ny anjely mitsangana eo ambonin’ ny ranomasina sy eo ambonin’ ny tany.

9 Dia nankany amin’ ny anjely aho ka nanao taminy hoe: Omeo ahy iny boky kely iny. Ary hoy izy tamiko: Raiso, ka hano avokoa io; dia hampangidy ny kibonao izy, nefa eo am-bavanao dia ho mamy tahaka ny tantely.

10 Dia noraisiko ilay boky kely teny an-tànan’ ny anjely ka nohaniko avokoa; ary raha mbola teo am-bavako izy, dia mamy tahaka ny tantely, kanjo nony voateliko, dia nangidy ny kiboko.

11 Ary nisy nilaza tamiko hoe: Tsy maintsy maminany indray hianao ny amin’ ny olona maro sy ny firenena maro sy ny fiteny maro ary ny mpanjaka maro.