Solo Christo - Sola Gratia - Sola Fide - Sola Scriptura - Soli Deo Gloria
VAKITENY ISAN'ANDRO
Alarobia 9 novambra 2016

Salamo 59

 

Fitarainan’ izay misy fahavalo maro mitady hahafaty azy

 

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Al-tasheth. Miktama nataon’ i Davida, fony Saoly naniraka, ka nisy niambina ny trano hamonoana azy. Afaho amin’ ny fahavaloko aho, Andriamanitro ô; asondroty eo amin’ ny avo aho tsy ho azon’ izay miodina amiko.

2 Afaho amin’ ny mpanao ratsy aho, ary vonjeo amin’ ny mpandatsa-drà.

3 Fa, indro, manotrika hahazo ny aiko izy; miangona hanohitra ahy ny mahery, nefa tsy fahadisoako ary tsy fahotako, Jehovah ô.

4 Tsy heloko [Heb. vokatra] no ihazakazahany sy iomanany, koa mifohaza hitsena ahy, ka jereo.

5 Ary Hianao, Jehovah ô, Andriamanitry ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, mifohaza hitsara ny firenen-tsamy hafa; aza mamindra fo amin’ izay mpivadika ratsy fanahy.

6 Miverina nony hariva ireny ka mierona tahaka ny alika, sady mandehandeha eran’ ny tanàna.

7 Indro, mirezadrezatra amin’ ny vavany izy; sabatra no eo amin’ ny molony, fa iza, hono, no handre?

8 Kanjo Hianao, Jehovah ô, hihomehy azy; Hianao haneso ny firenena rehetra.

9 Koa noho ny herin’ ireny dia hiandry Anao aho; fa Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy.

10 Andriamanitra, Izay mamindra fo amiko, no hialoha ahy; hataon’ Andriamanitra faly mijery ny amin’ ny fahavaloko aho.

11 Aza mahafaty azy Hianao, fandrao hanadino izany ny fireneko. Ampirenireneo amin’ ny herinao izy, ka aripaho, ry Tompo ô, Ampinganay.

12 Ny fahotan’ ny vavany dia ny tenin’ ny molony; aoka hosamborina amin’ ny fireharehany izy, eny, noho ny ozona sy ny lainga ataony.

13 Aringano an-katezerana izy, aringano mba tsy ho ao intsony; ary aoka ho fantany fa Andriamanitra no manapaka eo amin’ ny Jakoba ka hatramin’ ny faran’ ny tany.

14 Ary miverina nony hariva ireny ka mierona tahaka ny alika, sady mandehandeha eran’ ny tanàna.

15 Miriorio mitady hanina izy; raha tsy voky izy, dia any ihany mandritra ny alina.

16 Fa izaho kosa dia hihira ny herinao, Ary hihoby ny famindramponao nony maraina, Satria fiarovana avo ho ahy Hianao, Ary fandosirako amin’ ny andro fahoriana.

17 Ry Heriko ô, Hianao no hankalazaiko; fa Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy, dia Andriamanitra Izay mamindra fo amiko.

Apokalypsy 12 : 1 - 18

  

Ny amin’ ny vehivavy mitafy ny masoandro, izay nenjehin’ ny dragona

 

1 Ary nisy famantarana lehibe hita tany an-danitra, dia vehivavy mitafy ny masoandro, ary ny volana no eo ambanin’ ny tongony, ary misy satro-boninahitra kintana roa ambin’ ny folo amin’ ny lohany,

2 sady bevohoka izy; ary mihetsi-jaza izy ka mitaraina, satria marary fatratra efa hiteraka.

3 Ary nisy famantarana hafa koa hita tany an-danitra, ka, indro, nisy dragona mena lehibe manan-doha fito sy tandroka folo, ary misy diadema fito amin’ ny lohany.

4 Ary ny rambony dia manala ny ampahatelon’ ny kintana amin’ ny lanitra ka manjera ireny ho amin’ ny tany; ary ny dragona nijanona teo anatrehan’ ilay vehivavy efa hiteraka mba handrapaka ny zanany, raha vao teraka;

5 ary niteraka zazalahy izy, izay efa hanapaka [Gr. handry] ny firenena rehetra amin’ ny tehim-by; ary ny zanany novonjena faingana nakarina ho any amin’ Andriamanitra, dia ho any amin’ ny seza fiandrianany.

6 Ary ravehivavy kosa nandositra nankany an-efitra, izay nisy fitoerany namboarin’ Andriamanitra, mba hovelomina any enim-polo amby roan-jato amby arivo andro izy.

7 Ary nisy ady tany an-danitra: Mikaela sy ny anjeliny niady tamin’ ilay dragona; ary ilay dragona mbamin’ ny anjeliny kosa dia niady,

8 nefa tsy naharesy, sady tsy nisy fitoerana ho azy intsony tany an-danitra.

9 Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin’ ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy.

10 Dia nahare feo mahery tany an-danitra aho nanao hoe: Ankehitriny dia tonga ny famonjena sy ny hery sy ny fanjakan’ Andriamanitsika, Ary ny fahefan’ ny Kristiny, Satria nazera ilay mpiampanga ny rahalahintsika, dia ilay miampanga azy eo anatrehan’ Andriamanitsika andro aman’ alina.

11 Ary izy ireo naharesy azy noho ny amin’ ny ran’ ny Zanak’ ondry Sy ny teny filazana Azy, Ary tsy nankamamy ny ainy intsony izy, na dia ho faty aza.

12 Ary noho izany mifalia, ry lanitra sy hianareo izay monina ao aminy. Loza ho an’ ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, Satria fantany fa kely sisa ny androny.

13 Ary rehefa hitan’ ilay dragona fa nazera tamin’ ny tany izy, dia nanenjika ilay vehivavy niteraka ny zazalahy izy.

14 Ary ilay vehivavy nomena ny elatra roa an’ ny voromahery lehibe hanidinany ho any an-efitra, ho any amin’ ny fitoerany, izay itaizana azy fetr’ andro iray sy fetr’ andro roa ary antsasaky ny fetr’ andro, mba tsy ho hitan’ ilay menarana izy.

15 Ary ilay menarana namoaka rano tamin’ ny vavany, toy ny riaka, hanaraka an-dravehivavy, mba hindaosin’ ny riaka izy.

16 Nefa ny tany namonjy an-dravehivavy, fa nivava ny tany ka nitelina ny riaka izay navoaky ny dragona tamin’ ny vavany.

17 Dia tezitra tamin’ ilay vehivavy ny dragona ka lasa nandeha hiady tamin’ ny zanany sisa, izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra sy mitana ny filazana an’ i Jesosy.